Fitsarana Anosy: mpahay kaonty 12 mianadahy nanao fianianana

Notanterahina teny amin’ ny Lapan’ny fitsarana Anosy, efitrano fahefatra, ny fotoam-pitsarana nandraisan’ny fitsarana ny fianianan’ireo mpahay kaonty sy ara-bola (experts-comptables et financiers) 12 mianadahy. Andro lehibe ho an’ny Holafitry ny mpahay kaonty sy ara-bola ihany koa ity fotoana ity, nahafahan’ny filohan’ny holafitra nampahalala ny tsara ho fantatra rehetra tamin’ireto 12 mianadahy nanao fianianana ireto. « Mi­taky fitondrantena mendrika fa tsy fombafomba fotsiny ihany ny asan’ny mpahay kaonty sy ara-bola », hoy ny filohan’ny holafitra, Rabenoro David. Nanamafy izany rahateo koa ny hafatrafatra nomen’ny teo anivon’ny fampanoavana am­bony, namelabelatra tamin’ireo mpahay kaonty fa asa mitaky adidy sy andraikitra ny asan’ny mpahay kaonty sy ara-bola. Misy ny andraikitra arakasa sy sivily ary ara-keloka raha misy tsy fahatomombanana, raha ny fanazavan’ny fampanoavana ambony. «Mi­an­kina aminareo ireo ny fahamarinana ara-bola eo anivon’ ny orinasa sy ny firenena», hoy hatrany ny fanazavany. Misy lalàna ny asan’ny mpahay kaonty sy ara-bola. Tsy ampy ny fananana mari-pahaizana fa tsy maintsy manao fianianana, araka ny fanazavan’ ny Sekretera jeneralin’ny Holafitry ny mpahay kaonty sy ara-bola, Razaka­mahefa Ha­ja­nirina. « Ny mpahay kaonty sy ara-bola ihany no olona afaka miandraikitra ny fitantanana ara-bola amina orinasa iray. Manampy ihany koa izy ireo amin’ny fanarenana ny orinasa raha sendra misy fahasarotana ny fitantanana », hoy izy.

Jean Claude

Partager sur: