Mbola eo i Salomon… Saingy efa fotoana ela kosa no nandaozan’i Romule sy i Ghaby ny sehatra, ka tsy nitohy ny lalana ho an’ny tarika Kintana Telo. Nisy fotoana ihany nisian’ny tetikasa Diarin’ny Kintana Telo, saingy nangingina ihany koa taty aoriana.
Hafaliana ho an’ny mpankafy rehetra kosa ny nahenoana ity vaovao ity: hamelona ny hiran’ny Kintana Telo ny tarika Johary. Mazava loatra fa hiray sehatra amin-dry zalahy i Salomon, mandritra izany. Hotontosaina ny alahady 4 aogositra izao, ao amin’ny CCEsca Antanimena ity fampisehoana miavaka ity. Tsy misy tsy mahalala ny fahaizan-dry Luc, Mahery ary Gothlieb mamerina hiran’olona, indrindra ireo hira taloha, anisan’ny hira famerin-dry zalahy ireto rahateo ny hiran’ny Kintana Telo. Tsy vitan’izay fa matetika ihany koa no mampiara-peo amin’i Salomon izy ireo, rehefa fampisehoana hamerenana ireo hiran’ny omaly sy kalon’ny fahiny. Miandry ny daty sisa ireo mpankafy.
Zo ny Aina