Hetsika anisan’ny mahomby sy mamaly ny filan’ny mpiangaly ny hatsikana, indrindra ny Stand Up, ny “Antan’art enina”. Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’ny mpikarakara
Tanterahina isaky ny tolakandron’ny alahady, eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina, ny «Antan’art enina». Hetsika fampisehoana hatsikana, karakarain’ny fikambanana Be Tige. Natao ho an’ireo mpiangaly hatsikana, indrindra ny Stand Up. Misokatra ho an’ny rehetra ny fandraisana anjara. Ankoatra ny fampivelarana sy fampahafantarana ny hatsikana, indrindra ny Stand Up, tanjona ny hanosika sy hanome sehatra ireo vao misandratra eo amin’ity taranja iray ity.
Zary lasa ambohipihaonan’ny mpankafy hatsikana eny Antaninarenina, rehefa alahady tolakandro, anatin’ny hetsika “Antan’art enina”. Tao anatin’izay iray volana nanatanterahina ny hetsika teny an-toerana izay, hita ho mitombo hatrany na ny mpandray anjara, na ireo mpankafy. Etsy ankilany, ao anatin’ny ezaka fanatsarana sy fampanarahana fenitra ny hetsika ihany koa ny mpikarakara. Ny mahakasika ny fanamafisam-peo no ezaky ny tomponandraikitra amin’izao. Maro ireo talenta sy mpanatalenta miafina any anivon’ny fiarahamonina any, araka ny nambaran’ny mpikarakara. Ny hetsika sahala amin’itony no tena ahafahana mitrandraka izany. Ny “Antan’art enina” izay azo lazaina ho fidinana ifotony mihitsy.
Mahazo vahana
Vao taona vitsy izay no nidiran’ny Stand Up teto Madagasikara, raha efa an-taona maro kosa no nisiany tany ivelany. Ny Stand Up izay karazana hatsikana. Mampiavaka azy ity ny tsy fampiasana fitaovana na fanovana tarehy sy feo mandritra ny fiseharana. Somary sarotra ho an’ny Malagasy ny nandray azy noho ny mpankafy hatsikana eto an-toerana zatra ilay hatsikana tranainy, izay ampiasana fitaovana sy fanovana endrika sy tarehy ary feo. Efa manomboka mahazo vahana kosa anefa izy ity ankehitriny, noho ireo hetsika maro samihafa mampahafantatra sy mampivelatra azy.
Lin