Tsara ny vokatra ho an’ny Malagasy mpikatroka karate, sokajy lehilahy, ny sabotsy lasa teo, teny Mahamasina. Saika azon’izy ireo avokoa ny laharana voalohany teo amin’ ny Kumité raha toa ka 100% ny Kata.
Notanterahina, afakomaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny lalao famaranana, fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Atsinanana, taranja Karate, sokajy Cadet, Junior, Senior, lehilahy. Nahazo medaly volamena miisa 5 sy volafotsy 1 ny Malagasy mpikatroka, tamin’ity fifanintsanana ity. (Kata, volamena roa; Kumité, volafotsy iray sy volamena telo).
Azo lazaina fa tratra ny tanjona ho an’ny Federasiona malagasin’ny Karate-Do (FKM), izay tarihin-dRatefinanahary Emile, dia ny tsy hamoaka ireo medaly volamena eto Madagasikara.
Tsara ny mampahatsiahy fa miisa efatra ireo firenena nandray anjara tamin’ity fifaninanana Afrikanina ity.
Ankoatra an’i Madagasikara, mpampiantrano, teo ihany koa i Djibouti sy i Maurice ary i Comores. Nampiavaka ity hetsika ara-panatanjahantena goavana ity ny fanatrehan’ireo vahiny manan-kaja maro. Ny filoha lefitry ny Federasiona iraisam-pirenena (WKF), i Bechir Cherif, sy i Souleymane Gaye, lehiben’ny fikambanan’ny Federasiona aty Afrika (UFAK), i Zetouni, filohan’ny Kaomisiona mpitsara ao amin’ ny WKF sy i Papa Ismaila Ba, lehiben’ny Kaomisionina misahana ny teknika eo enivon’ny WKF, ary ireo mpitsara iraisam-pirenena roa.
Hiatrika ny Afrika Kaontinantaly
Nifarana tanteraka izay ny lalao ho an’i Afrika Atsinanana, ho an’i Madagasikara. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’ i Afrika Kaontinantaly indray izy ireo, any Tunis Tunisie, ny 2 hatramin’ny 8 septambra ho avy izao. Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa nisy ny fivoriambe ara-potoana izay nataon’ireo lehiben’ny Federasiona mikambana ato amin’ny faritra Afrika Atsinanana, ny 7 jona lasa teo, teny Antaninarenina.
Fitia Randria
Ireo nahazo medaly :
Sokajy : Sénior
-60kg :
1 – : Rajaonarison Christian Finoana ( Madagascar)
2 – : Mounir Ismail Mahmoud (Djibouti)
-67 Kg
1- :Herinirina Rasabotsy Jean Pierre (Madagasikara)
2- : Farouk Thaoura (Comores)
3- : Ishu Mohabeer ( Maurice)
3- :Assem Adnan Said (Djibouti)
-75kg
1- :Solomanana Princy (Madagascar)
2- :Ali Mohamed Al – Houssein Ben (Comores)
+84kg
1- :Ramluchumuni Abishek Aman Kavi (Maurice)
2- :Andriantsimbazafy Tojo (Madagascar)
Kata Olon-Tokana
1- : Rakotomalala Brandon Princy (Madagascar)
2- : Hans Ramdharrysing (Maurice)
3- : Ali Mohamed Al – Houssein Ben (Comores)
Kata Isan-Tarika
1- : Madagascar
2- : Maurice