Tsy ny tatatra tsentsina na ny rano miakatra na ny fitohanan’ny fiara ireny intsony no azo resahana momba an’i Besarety. Niaina ny kolontsaina mampiray izy ireo, ny faran’ny herinandro teo.
Raha mandalo amin’iny Besarety iny ianao, indrindra raha anatin’ny fitohanan’ny fiara, manam-potoana tsara hankafizana ny kisary amin’ny rindrin’ny EPP… Tsy maintsy mitopy any ny maso, satria nisafidy loko manintona mihitsy ireo mpanakanto, nandravahany ny kantony. Ampahany ihany ny teo amin’ny rindrin’ny EPP, fa toerana maro nosafidiana nanehoana ny kanto nandritra ny “Kolontsaina Festival anaty elakelatrano”, izay notontosaina ny faran’ny herinandro teo, koa teny an-toerana.
Ireo mponina sy mpandalo ka nanam-potoana, mbola nahazo tombony kely, afaka nigoka karazan-kanto hafa. Teo, ohatra, ny fampirantiana sary nataon’i Sangask’art, izay tena nanintona olona maro tokoa. Tsy dia ao anatin’ny andavanandron’i Besarety izany, ka nahaliana ny maro ny nandinika sy namisavisa ireo sary.
Raha toa ka naneho ara-bakiteny ny tena hoe fihavanana sy fifanomezan-tanana ny fandokoana amin’ny endrika kanto ireo rindrina nosafidiana, mbola narahin’ireo mpanakanto seho tsy fahita firy ihany koa izany. Tao, ohatra, ny dihy ankehitriny teny an’arabe, nentin-dry Njara Rami & Cie sy ry Extra Dance mada izay nihazona ny mason’ny mpandalo rehetra. Tsy nangina ihany koa ny sehatra kely kanefa namoaka hafanana, nifandimbiasan-dry 105 RPZ, MC Loveur, Nero, sns.
Saika ny ankizin’i Besarety no tazana liana kokoa tamin’ny hetsika; Tsy naninona mihitsy anefa satria anatin’ny tanjona ny fampitiavana ny zavakanto miainga eny ifotony, sy ny fampahalalana azy ireo ny zava-bitan’ny firaisankina izany. Nisy rahateo ny fampianarana zavakanto ho an’ireo mpianatra, narahina fandefasana horonantsary. Tsy vitan’izay fa mbola nahazo boky ihany koa ireo ankizy. Dingana iray indray no tontosa ho an’ny ekipa mpikarakara ny hetsika.
Zo ny Aina