Lycée Mantasoa : tohanan’ny Rotary RCA ny niomerika

Tsy niasa nandritra ny 10 taona ny fampianarana informatika ao amin’ny Lycée Jean Laborde (LJL) sy ny Lycée teknika arakasa (LTP) Man­tasoa satria simba ny fitaovana. Nivaha ny olana satria nitondra fanampiana ho azy ireo ny fikambanana Rotary Club Antananarivo (RCA) Vovonana. Nohavaozina ny efitrano fianarana, ary miisa 10 ny ordinatera natolotra ny sekoly roa, izay natao ny sabotsy 8 jona teo. Nam­baran’ny filohan’ny RCA Vo­vonana, Randrianarisoa Ma­lalatiana, fa « mandroso tokoa ny teknolojian’ny niomerika, ankehitriny, ka zava-dehibe ny fampiroboroboana azy any an-tsekoly toy izao ».
Nanohana ity fanampiana ity ny vondrona Axian, tamin’ny alalan’ny orinasa Telma ao aminy. Tanteraka ny hetsika vokatry ny fanelanelanana nataon’ny fikambanana Vaho­aka miaina sy mivelona eto Mantasoa (VMMM), tarihin’ny Dr. Ranaivoarisoa Henri, efa minisitry ny Fahasalamana tany aloha. « Tanjona ny hampiakarana ny tahan’ny fampidirana mpianatra an-tsekoly eto Mantasoa », hoy izy.
Niaraka nankasitraka izao fitsinjovana ny mpianatra hifehy ny niomerika sy ny informatika izao ny proviseur ny LJL, Rakotondramanana Kooly, sy ny proviseur lefitry ny LTP, Maminiaina Marie Joëline. Miisa 300 ny mpianatra ao amin’ny LJL, raha 400 ny ao amin’ny LTP. Nomarihin’izy ireo fa efa ao anaty fandaharam-pianarana mihitsy ny informatika.

Njaka A.

Partager sur: