Rallye FMMSAM: norombahin’i Mathieu ny voalohany

Tontosa omaly ny rallye FMMSAM, dingana voalohany, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, fifaninanana manamory fiarakodia. Norombahin’i Mathieu sy i Andry Tahina, mpanamorin’ny klioba ASACM, nitondra ny fiara subaru, ny fandresena tamin’ity. Vitan’izy mirahalahy tao anatin’ny 1 ora 28 mn 25, 8 % ny fifaninanana. Saika nitarihan’izy mirahalahy ireo avokoa ny ankamaroan’ireo dingana manokana «ES», notanterahina tamin’ity Rallye ity. Tara 3 mn taorian’izy mirahalahy i Frederic sy i Mick, avy amin’ny klioba ASACM ihany, nijapy ny fiara Subaru N16. 1 ora 31 mn 17, 8 %, ny fe-potoan’izy ireo. Fahatelo, i Faniry sy i Mahents (TMF/ ASACM), niaraka tamin’ny fiara Peugeot 208 T16, nahavita 1 ora 32 mn 22, 9 %. Fiara 13 tamin’ireo 35 nandray fiaingana, ny zoma lasa teo, sisa ny hany tonga hatramin’ny farany, tamin’ity Rallye nokarakarain’ny klioba FMMSAM ity.
Dingana manaraka ho an’ny fifaninanam-pirenena amin’ity taranja mekanika ity ny Rallye karakarain’ny klioba ASACM, hotanterahina ny 12 ka hatramin’ny 14 jolay ho avy izao.

Tompondaka

Partager sur: