Rugby – “XXL Top 12”: nomontsanin’ny FTM ny FTBA Andohatapenaka

Voahaja ny lojika. Resin’ ny FTM Manjakaray tamin’ny isa mavesatra 92 no ho 0 ny FTBA Andohatapenaka. Fiha­o­nana tafiditra ao anatin’ny andro fahatelo hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, «XXL Top 12». Lalao notanterahina, omaly, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Efa nampoizin’ny rehetra ny vokatra. Ambony lavitra ry zareo Man­jakaray raha mitaha amin’ny boaikelin’Andohata­penaka. Toy ny nanao fanazarantena fotsiny ry Koroka sy ry Laha­tra, nandritra ny 80 mn nilalaovana. Natanjaka tamin’ny lafiny rehetra ny FTM. Nanan­tom­bo rahateo izy ireo teo amin’ny tanjaka sy ny taktika teny ambony kianja. Nisesy ny baolina nentin-tanana. Efa nitarika tamin’ny isa 42 no ho 0 ny FTM, teo amin’ny fizaram-potoana voalohany.
Tsy nanova zavatra firy ny fizaram-potoana faharoa. Vao mainka nanampatra ny heriny ny FTM ka mbola nitohy ny baolina nentin-tanana. Teo amin’ireo voka-dalao hafa resin’ny TFMA (Boaikely ma­no­hitra) Ankasina, tamin’ny isa 22 no ho 11, ny STM (Savony). Niady ny fihaonan’ny roa tonta saingy nahay nanararaotra ny fahadisoana nataon’ny mpifanandrina taminy ny TFMA. Nitarika an’isa ny TFMA, teo amin’ny fizaram-potoana voalohany.
Resin’ny TFA Anatihazo, tamin’ny isa 29 no ho 16 kosa, ny Uscar. Nangotraka ihany koa ny lalaon’izy ireo satria ekipa diso mifankahalala tsara. Nifandimbiasana ny fanafihana fa efa tany amin’ny 10 mn tsy hiravana vao nivoaka ho mpandresy ny TFA.

Tompondaka

Partager sur: