Malagasy mpilalao tenisy efatra mirahavavy no hiaro ny voninahi-pirenena, mandritra ny fifaninanana Billie Jean King, izay hatao any Nairobi Kenya, manomboka anio. Anisan’izany, Ranaivo Mikaly, mpilaravinahitra avy any Etazonia, Rasendra Miotisoa sy Iariniaina Tsantaniony ary Rihanna Elisa.
Hotontosaina manomboka ny alakamisy hatramin’ny 23 jona ho avy izao, eto Antananarivo, ny fifanintsanana nasionaly, taranja Handball, taom-pilalaovana 2023. Tsara marihina fa tokony ho natao tamin’ny taon-dasa ity fifaninanana ity, saingy noho ny fandaminanana nisy teo amin’ny federasiona dia izao nahemotra izao.
Hotanterahina ny 14 jona ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, « Euro 2024”, taranja baolina kitra. Hanokatra ny fifaninanana amin’izany, ny fifanandrinan’i Allemagne, mpampiantrano, sy i Ecosse. Tsiahivina fa hivantana amin’ny TVM ny ampahany amin’ny fifanintsanana Euro.