Notontosaina omaly, teny amin’ny CFFAMA Nanisana, ny fanadinana hiakarana ambaratonga kukkiwon (1ère dan- 4ème dan). Miisa 33 mianadahy ireo mpikatroka tonga niadina teny an-toerana. Marihina fa ity no hetsika voalohany nokarakarain’ny tale teknika nasionaly (DTN) ny Federasiona malagasin’ny Taekwondo (FMTKD), Fanomezantsoa Dimbiheriniaina Pharlin, (3ème dan kukkiwon sy 4ème dan federaly). Raha ny fanazavana voaray, tsy maintsy manana taratasim-pilalaovana avy amin’ny FMTKD sy fehikibo mena barety roa ary mihoatra ny 14 taona ireo mpiadina nandray anjara tamin’ity. Ny DTN sy ny talen’ ny fampiofanana eo anivon’ny FMTKD, Ramanantsoa Narinja, (3ème dan kukkiwon sy 4 ème dan federaly) ary Master Lee Jeong Moo, 7ème Dan kukkiwon, no nanadina ireo atleta ireo. Anisan’ireo singa nanadinana, teny an-toerana ny fahaizana miady Kyourigi, Kyocpa, Han Bon Kyourigi, Doo Bon Kyourigi, Sam Bon Kyourigi sy ny fihetsika mirindra Poomsae. Tanjon’ny FMTKD amin’ity hetsika ity ny hananan’ireo Malagasy mpikatroka ambaratonga iraisam-pirenena Kukkiwon sy ny fanarahana rafitra maneran-tany.
Hivelatra any amin’ny faritra
Raha ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny FMTKD, hivelatra any amin’ny faritra ity hetsika ity. Hanomboka ny 12-14 jolay ho avy izao, ny faritr’i Fianarantsoa; ny 28-30 aogositra, ny ao Toamasina ary ny 13-15 oktobra, ny any Mahajanga. Tsara marihina fa anisan’ny fanamby apetraky ny filohan’ ny Federasiona vaovao, Rakotomanana Franck Tiana, ny fanomezana sehatra ho an’ny faritra sy ny fikarakarana fiofanana maro ho an’ireo Malagasy mpikatroka.
Fitia Randria