Nodimandry, omaly, i Zakanirina Emile, Malagasy mpilalao sarimihetsika. Dadamanga no ahafantaran’ny maro, indrindra ny mpankafy sarimihetsika, azy. Anisan’ny nahitana azy ny sarimihetsika “104”, “Adisanina”. Tazana teny anivon’ny tambajotra sosialy ihany koa izy nanao horonantsary mampihomehy tao anatin’ny “Samy Gaigy”.
Misokatra ho an’ny rehetra, eny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, ny fampirantiana nampitondraina ny lohahevitra hoe: “Ny firenena sy ny hery fiarovana ary ny filaminana”. Hetsika mampahafantatra ny tantara sy ny andraikitra misy eo amin’ny Tafika sy zandary ary polisy. Tanjona ny hampahafantarana ny vahoaka ny firaisankina misy eo amin’ireo hery fiarovana telo ireo.
Tanterahina manomboka anio hatramin’
ny zoma 21 jona 2024, eny amin’ny La Ruche Tsaralalàna, ny varotra fampirantiana ny hosodokon’
i Finengo Mahasaky. Manantalenta amin’ity
sehatra ity koa izy, ankoatra ny hatsikana izay nahafantarana azy hatramin’izay. Mampiavaka ny asa tanany ny fanomezana fahafaham-po sy mitondra
ny mpankafy any amin’ny tontolo hafa lavitry ny rotoroto.
Hitafa sy hiara-paly amin’ny mpianatra
eny amin’ny CEG Androhibe indray ny Alliance Française Mobile, amin’ity anio ity. Hetsika ara-
javakanto maro samihafa, fanentanana sy fanabeazana ary fampianarana ireo mpianatra no mandravaka ny fandaharam-potoanan’izy ireo mandritra izany.