Trafika tany Thaïlande : ampodiana ireo gidro sy sokatra

Nilamina ny resaka ! Averina aty Madagasikara ireo sokatra 1076 sy varika 48 naondrana antsokosoko tany Thaïlande. Nankany an-toerana nandamina izany ny minisitra Max Andonirina Fontaine.

Tsy mitsaha-mitombo ny trafikana bibidia eto an-toerana sy iraisam-pirenena. Koa, ataon’ny governemanta malagasy ny ady amin’ny fanondranana tsy ara-dalàna. Nisy ny fifanarahana na­taon’ny minisitra Max An­donirina Fontaine tamin’ny tom­ponandraikitra Thaï­lan­dais. Tinapaka fa hampodiana aty Madagasikara, mialoha ny faran’ny volana jolay ho avy izao, ireo varika 48 sy sokatra 1 076 tratra tany an-toerana, ny volana mey teo. Izay no mahatonga ny fiaraha-miasa amin’ny mpisehatra rehetra eto an-toerana sy ny iraisam-pirenena, handravana ireo tambajotra.
Nohamafisin’ny minisitra Max Andonirina Fontaine ny hanaovan’ny tomponandraikitra thaïlandais fanadihadiana lalina mahakasika ity trafikana varika sy sokatra ity. Efa manao ny tandrify azy koa ny fitsarana malagasy ary tanjona ny handrindrana ny ezaka amin’ny fitsarana thaïlandaise. Misy ny fangatahana fiaraha-miasa, araka izany.

Azia Atsimo Atsinanana
Miara-miasa amin’ny mpisehatra samihafa ny fitsarana malagasy mahakasika ity raharaha ity. Manamora ny fifanakalozam-baovao sy izay zavatra ilaina amin’i Thaïlande ny ao amin’ny Raharaham-bahiny. Manohana ny fanatontosana ny dingana samihafa ny rafitra iraisam-pirenena Interpol, ny ONUDC, ny Usaid/USFWS.
Nisy ny vaomiera manokana, « Task force », natsangana, ahitana ireo firenena any Azia, Atsimo Atsinanana toa an’i Taiwan, Indonésie, Ma­laisie hiara-hiasa amin’i Ma­dagasikara, hiadiana amin’ny trafika tsy ara-dalàna.
Tsiahivina fa nisy sokatra miisa 400 nentin’ny sambo, tratra ihany koa tatsy Kao­moro, ny alakamisy 6 jona 2024 teo. Eo am-pandinihana ny hampodiana azy ireo aty Madagasikara ihany koa ny tomponandraikitra.

Njaka A.

Partager sur: