Niara-niasa tamin’ny fanatanterahana ny atrikasa momba ny fahasalaman’ny saina ny USAID sy ny OMS. Dingana voalohany amin’ireo hetsika maromaro nomanina ho an’ny roa taona ho avy no natao.
Nampivondrona mpandray anjara maherin’ny 160, ahitana mpisehatra, mpikaroka, mpanome tolotra ara-pahasalamana ary mpamatsy vola ny atrikasa natao teto Madagasikara momba ny fahasalaman’ny saina. Mikendry ny hampiroborobo ny fahatakarana ny tontolon’io sehatra io eto Madagasikara, ny hamantarana ireo fanamby lehibe ary ny hamolavola paikady sy hetsika laharam-pahamehana ny fiaraha-miasan’ny USAID sy ny OMS.
Hitondra ny heviny amin’ny fanavaozana ny paikady nasionaly momba ny fahasalaman’ny saina ireo mpandray anjara.
I Madagasikara, tahaka ny firenena maro, dia mitolona mba hialana amin’ny tolotra ara-pahasalamana voafetra, ny tsy fahampian’ny manam-pahaizana manokana, ny tsy fahampian’ny fiofanana momba ny fahasalamana fototra ary ny tsy fahampian’ny famatsiam-bola.
Ity fihaonambem-pirenena ity ihany koa dia hanasongadinana ny filana amin’ny fomba fiasa mivelatra kokoa amin’ny fahasalaman-tsaina, manantitrantitra ny fanohanana ara-tsaina, manatsara ny fahaiza-miady amin’ny adin-tsaina, mampiroborobo ny faharetana sy ny fitomboana, amin’ny alalan’ny fandehanana mihoatra ny modely ara-pitsaboana nentim-paharazana.
“Tsy maintsy ho laharam-pahamehana ho an’ny faritra samihafa ny fananana tobim-pahasalamana sy tolotra neurologie bebe kokoa amin’ ny taona ho avy… ”, hoy ny Dr Laurent Musango , solontena maharitry ny OMS eto Madagasikara.
Nampidirina ao anatin’ny fanohanan’i Etazonia ny fikarakarana ara-pahasalamana eto amin’ny firenena, nanomboka ny taona 2022, ny fahasalaman’ny saina. Namolavola ny paikady momba ny fahasalaman-tsaina voalohany ny USAID ary nanendry mpandrindra iraisam-pirenena ho an’ny fahasalaman-tsaina, ny Dr Jerome Galea, izay nivahiny teto Madagasikara nandritra ny atrikasa.
Tatiana A