VAOVAO TAMBATRA

Ho tapaka ny lalana RN2, Mandraka, ho an’ny fiara vaventy, eo amin’ny PK 67+642 sy ny PK 67+961. Ny talata 11 jona sy alarobia 12 jona, amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 3 ora tokandrano ny fahatapahana. Antony, ny fandrarahana godirao amin’ny fanarenana ny lalana. Afaka mandeha kosa ny fiara madinika sy salantsalany.
Atao ny fanisana ankapobeny ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana eto Madagasikara, amin’izao volana jona izao. Voakasik’izany ny tokantrano mpamboly manerana ny faritra 23. Tanjona ny hahazoana antontam-baovao mahakasika ny tontolon’ny famokarana. Mahatratra 884 ny kaominina voakasiky ny fanadihadiana.
Nambaran’ny FAO fa miisa 62 tapitrisa ny olona mivelona amin’ny jono sy ny fihariana anaty rano maneran-tany. Mahatratra 94 tapitrisa taonina ny vokatra azo amin’ity seha-pihariana ity. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny fivoriambe tany Costa Rica momba ny fihariana anaty rano, nokarakarain’ny FAO, ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga malagasy.
Vita ny 90% ny asa fametrahana ny toby mpamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro any Ankililaoka Toliara. Manana tanjaka 579 KWc ny toby ao amin’ny kaominina Ankililaoka ary 463 KWc kosa ny any Ambahikily. Hisitraka azy ny kaominina Anakao, Ambahikily ary ny fokontany Mangily.

Partager sur: