Africa Leadership Awards: mendrika amin’ny fahaiza-mitarika i S. Ogunsanya

Nahavita be teo amin’ny fampiroboroboana ny fifandraisan-davitra aty Afrika i Segun Ogunsanya, tale jeneraly teo aloha, Airtel Africa. Voafidy ho mendrika indrindra amin’ny fahaiza-mitarika izy.

Mikarakara ny African Business Leadership Awards (ABLA) 2024, ny gazety boky ara-toekarena Africa Leadership Awards (ALM) an’ny fikambanana African Leadership (ALO). Handray ny lokany izy amin’ny 17 sy 18 jolay 2024 izao any amin’ny Chambre des Lords any Royaume Uni. Lohahe­vitra ny hoe, « Afrika afaka, mandeha amin’ny onja misy fikorontanana, manatsara izay azo araraotina ».

Manana traikefa 35 taona amin’ny fitantanana orinasa i S. Ogunsanya, amin’ny sehatry ny banky, ny fanjifana ary ny fifandraisan-davitra. Nitan­tana orinasa maro tany Ghana, Nizeria, Kenya, sns. Nitana andraikitra ambony tao amin’ ny Airtel Africa, nanomboka ny taona 2012, lasa tale jeneraly ny 2021.

Anisan’ny fahombiazana vitany, ny nahazoan’ny Airtel Africa fitomboan-karena tarehimarika roa ho an’ny vola nokirakiraina, nandritra ny taona maro. Eo koa ny fanomezana tolotra vaovao ho an’ny mpanjifa. Handeha hisotro ronono izy manomboka amin’ny 1 jolay 2024.

Tontolo niomerika sy ara-bola

Nambarany fa « manohina ahy tokoa izao fankasitrahana izao, miaraka amin’ireo namana afrikanina hafa. Nataoko vaindohan-draharaha hatramin’ izay ny fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa, indrindra ny fidirana anatin’ny tontolon’ ny niomerika sy ny ara-bola. Inoako fa hanohy izany ny mpitantana orinasa afrikanina aty aoriana ».

Nilaza ny filohan’ny ALO sady mpamokatra ny gazety boky ALM, ny Dr. Ken Giami, fa « hita taratra amin’ireo olona mendrika ireo ny famoronana, ny fiatrehana ny zava-misy mendrika sy mitondra fampandrosoana aty Afrika ».

Njaka A.

Partager sur: