Misokatra ny fametrahana ny dosie ho an’ireo izay liana handray ny toeran’ny tonia mpanatanteraka ny filankevi-pirenen’ny cacao (CNC) eto Madagasikara. Afaka mametraka ny antontan-taratasy ao amin’ny biraon’ny CNC Ambanja sy mandefa izany amin’ny adiresy recrutementsecnc@gmail.com (dika mitovy amin’ny adiresy conseil@conseilnationalcacao.mg) ireo izay liana amin’izany. Amin’ny zoma 14 jona
2024 no fara fandraisana ireo antontan-taratasin’ireo kandidà liana handray ny andraikitra. Tsy maintsy manana mari-pahaizana bakalôrea miabo efatra sy traikefa dimy taona amina fitantanan-drahaharaha miampy traikefa roa taona amina andraikitry ny tonia mpanatanteraka kosa ny kandidà liana amin’ity tolotrasa ity. Misy ihany koa ny mari-pahalalana hafa takina amin’izany. Marihina fa hiasa any amin’ny foiben-toerana any Ambanja ny tonia mpanatanteraky ny filankevi-pirenen’ny cacao. Afaka mamita iraka eto Antananarivo sy any amin’ny faritra kosa izy rehefa mandray ny andraikiny.
Henintsoa H.