Fampirantian’ny Foloalindahy : hampahafantarina ny vahoaka ireo hery fiarovana misy

Anisan’ny andry iankinan’ny firenena ny Foloalindahy. Zava-dehibe ho an’ny vahoaka, araka izany, ny fahafantarana ny momba azy ireo.

Tanterahina eny amin’ny Lapan’ny Tanàna Ana­lakely, nanomboka ny faran’ny herinandro teo hatramin’ny 25 jona 2024, ny fampirantiana anehoana ny maha izy ny hery fiarovana misy eto Madagasikara. « Ny firenena sy ny hery fiarovana sy filaminana » no lohahevitra trandrahina sy aseho mandritra izany. Mandray anjara amin’izany ny Tafika, ny zandarimaria ary ny polisim-pirenena. Misokatra ho an’ny rehetra, ary maimaimpoana ny hetsika. Tanjona ny hampahafantatra ny vahoaka ireo hery fiarovana telo misy eto Mada­gasikara sy ny firaisankina misy eo amin’izy ireo.
Zava-dehibe ary tena ilain’ny vahoaka, indrindra ny tanora sy ny mpianatra, ny he­tsika sahala amin’izao. Mira­kitra fanabeazana sy fampahafantarana zavatra sy tantara maro izy ity. Raha tsiahivina, hita mandravaka ny hetsika ny tantaran’ireo hery fiarovana, miaraka amin’ireo lehiben’izy ireo nifandimby nitantana avy, tao anatin’izay taona maro nisiany izay, miaraka amin’ny sary nanamarika azy ireo. “Efa somary nihena ny fahatokisan’ny vahoaka ireo hery fiarovana eto amintsika”, hoy Razafimahatratra Lau­rent, mpampianatra, anisan’ny nitsidika ny hetsika. Araka ny nambarany, fotoana ahafahana manabe sy mikolo ny sain’ny olona ny hetsika sahala amin’itony mba hamerenana indray izany fahatokisan’ny vahoaka izany.
Ankoatra izay, misy ihany koa ny fampahatsiahivana sy fampianarana mahakasika ny fampiasana ny sainam-pirenena malagasy. Izy ity izay ma­nomboka very hasina ihany koa eto amintsika, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Hita eny an-toerana, araka izany, ny refiny manaraka ny fenitra, ny hetsika afaka na tsy afaka ampiasana azy, ary ny sary mifandraika amin’izany.

Lin

Partager sur: