Tontosa ny fanamboarana ireo efitrano fianarana rehetra ao amin’ny sekoly fanabeazana fototra ao Ambohimarina, kaominina Ambohimanga Rova, ny alakamisy 8 jona teo. Mpianatra avy amin’ny fokontany manodidina no hisitraka manokana amin’ny fananana ity fotodrafitrasa vaovao ity. Misehatra amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny sosialy sy ny fanabeazana, nanamboatra efitrano telo amin’ny fanavaozana io sekoly io ny orinasa Tozzigreen. Nanolotra dabilio koa izy ireo. Nandray an-tanana tamin’ny fanaovana ny biraon’ny tomponandraikitra sy trano fonenan’ny talen-tsekoly ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Richard Ravalomanana. Nampitondraina ny anarana EPP Rakotomanana io sekoly io. “hirariana mba hisy tanora hoavin’ny firenena hivoaka amin’ity sekoly ity”, hoy izy. Ankotra io, nisitraka CSBII koa ny ao amin’ny fokontany Manankasina, anatin’io kaominina io.
Tsiferana R.