Hipoka avokoa izay toerana nanaovan’izy ireo fampisehoana. Feno ny fandaharam-potoanan’izy ireo, saingy anatin’ ny hanaovan’i Dadju sy Tayc fampisehoana ny aty Madagasikara.
Efa samy nampanatena izy mirahalahy ireto fa mbola hiverina aty Madagasikara… Tsy nisy nanampo kosa tamin’izany hoe ho avy hiaraka hanolotra fampisehoana i Dadju sy i Tayc. Nivoaka ny faran’ny herinandro teo fa anisan’ny firenena hitondran’izy roa lahy ny “Héritage” i Madagasikara. Voatondro fa ny 11 oktobra izao no hanatontosana izany, saingy tsy mbola voafaritra kosa ny toerana.
Raha tsiahivina, noheverina fa nisy tsy fifankahazoana teo amin’ireto mpanao rap frantsay ireto, tamin’ny taon-dasa. Tonga tamin’ny karazana fifampiantsiana an-tambajotra izany. Rehefa nozohina, nisy fiaraha-miasa goavana tao, ary ao anatin’ny fanatanterahana azy i Dadju sy Tayc amin’izao fotoana izao. Sarimihetsika fohy ny niatombohan’ny “Héritage”. Niainga tamin’io, ireo hira iombonan’ izy mirahalahy, toa ny “Makila Wablé”, “Apprend moi”, “I love you”, “Jaloux”, sns. Teraka taorian’izay ny rakikira “Héritage”.
Avy hatrany dia daty 9 tao Paris no nisantaran’i Tayc sy Daju ny andiam-pampisehoana, ho fampahafantarana ny “Héritage”. Hipoka mpijery avokoa ireo. Nanomboka nivoaka an’i Paris izy ireo. Anisan’izany ny “Nancy Open Air” ao Nancy, ny sabotsy lasa teo.
Hitety firenena maromaro izy roa lahy amin’ity taona ity, anisan’izany ny aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Noho izay no nahazoan’ny mpikarakara daty taty Madagasikara. Mahafeno ny fepetra ara-teknika takin’ny fampisehoana rahateo ny aty an-toerana. Efa indroa i Dadju no niseho teto (Lapan’ny Fanatanjahantena, Kianja Barea). Ireo nikarakara izany ihany no nitondra an’i Tayc, nanao seho goavana tao amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.
Zo ny Aina