Notanterahina tany Ivoloina, ny alarobia 5 jona lasa teo, ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny valan-javaboahary, Parc naturel d’Ivoloina, sy ny Alpha Ciment. Nanatanteraka izany i Jaozandry Jean Jacques, talen’ny ONG Madagascar Fauna, misahana ny “Parc” sy i Zafindrantoanina Arivelo. Votoatiny ny fanamafisana orina amin’ny hanatsarana ny fisahanana ny tontolo iainana. Miompana amin’ny fanomezana maimaimpoana ny ambin’ireo simenitra vokariny, hanamboarana ireo toerana samihafa ao anatin’ny valan-javaboahary, toy ny fandrakofana sy fanatsarana ireo lalankely, hanamorana ny fivezivezen’ny mpitsidika sy ireo mpikaroka. Ankoatra izay, havaozina koa ireo kitranotrano sy ny vala fitoeran’ireo biby isan-karazany, misy ao anatiny.
Mikendry ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra izany, indrindra ny fitahirizana sy fikolokoloana ireo harena voajanahary misy eto Madagasikara.
Nambara fa porofo azo tsapain-tanana manamarika ny fandraisana anjara amin’ny fitehirizana sy ny fanatsarana ary famerenana amin’ny laoniny ny tontolo iainan’ny biby sy ny zava-maniry ao anatin’ny Parc Ivoloina, izao. Maneho ny finiavana hanorina tontolo manaja ny natiora, hanamafisana ny teny filamatra hoe : “Miaraka mba hanorina zavatra maharitra” ny fiaraha-miasa.
Henintsoa H.