Kely ny velaran-tanin’i Mayotte, na te hamokatra aza izy, ka voatery miankin-doha, manafatra aty Madagasikara. Avy aty amintsika avokoa ny 70% ny vokatra ara-tsakafo hafarany. Nilaza ny mpanorina ny vondrona Green Fish any Mayotte, Nourdine Hakim, nitarika ny delegasiona Mahorais, nandritra ny tsenabe ara-toekarena SIAE andiany fahatelo farany teo, teto Antananarivo, fa ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny firenena malagasy, hahatongavana any amin’ny tsena eoropeana. Nohazavainy, fa betsaka ny tombony ho an’i Madagasikara miara-miasa amin’i Mayotte, miohatra ny amin’i Frantsa. “Mahay ny fenitra ara-tsakafo sy ara-pahasalamana izahay, ary efa mamiratra any Paris eo amin’ny sehatry ny lavanila, ny kafe, ny kanela, sns”, hoy ihany izy. Mivoatra isan-taona ny vokatra trandrahin’ny Green Fish, ka anisan’izany ny cacao any Ambanja.
Miisa 12 amin’izao fotoana izao ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Mayotte.
Henintsoa Hani