Manana fahasahiranana ny Voromaherin’i Mali satria ny maraina teo vao tonga ao Afrika Atsimo ny delegasion-dry zareo. Araka izany, tsy hisy fotoana firy hizarana kianja sy toetr’andro ny ekipa malianina ka mety hanome tombondahiny ho an’ny Barea de Madagascar.
Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra tao amin’ny tambajotran-tseraserany, omaly, ny maraina teo, tamin’ny 4 ora vao tonga ao Johannesburg, Afrika Atsimo ny Voromaherin’i Mali. Araka izany, tsy manana fotoana ry zareo hizarana ny toetr’andro any an-toerana ary tsy afaka nizatra kianja fa avy hatrany dia hiatrika ny lalao anio amin’ny 4 ora (ora eto Madagasikara).
Tombony be ho an’ny Barea de Madagascar izany, araka ny fandinihan’ireo teknisianina satria mbola hitambesatra amin’ireo mpilalaon’i Mali ny havizanana. Tokony hararaotin’ny Malagasy, araka izany, ny fanafainganana ny lalao sy ny tsy fandaniam-potoana. Manana herijika ambony ny Barea handrombaka fandresena raha ny zava-misy aloha no jerena.
Efa tonga tapa-bolana mialoha tany an-toerana mantsy ny Barea, ary efa zatra tsara ny toe-tany sy ny kianja hanaovana ny lalao. Na izany aza, mila mailo hatrany satria mpilalao efa manana traikefa avokoa ny ankamaroan’ireo mandrafitra an’i Mali. Ny angom-baovao rahateo no nahalalana fa nojeren’izy ireo ary nanaovany famakafakana lalina ny lalao nataon’ny Barea tamin’i Comores.
Mahakasika ny Barea de Madagascar, tsy afaka ny hijoro i Hakim Abdallah taorian’ ny dona nahazo azy, tamin’i Comores, ny zoma lasa teo. Mety hijoro voalohany, araka izany, i Tendry. Tsy mbola fantatra kosa na ho anisan’ireo 11 hiakatra kianja i Fabien Boyer na tsia. Izy izay efa niatrika fanazarantena niaraka tamin’ny Barea, nanomboka ny sabotsy lasa teo. Tsiahivina fa hivantana amin’ny fahitalavi-pirenena (TVM) ny lalaon’ny roa tonta, anio folakandro.
Tompondaka