Navoaka tamin’ny fomba ofisialy, ny alahady 9 jona teo, tetsy Antohomadinika, ireo mpikabary andia «Mendrika». Nambaran-dRandrianaivo Serge Thierry, filohan’ny Hasin’i Gasikara, fa « miisa 27 mianadahy ireto mpikabary vao navoaka ireto. Nandritra ny enim-bolana no namolavolana azy ireo, mba ho tonga mpikabary ».
Niavaka ny lanonam-pamoahana, satria, tafiditra ao anatin’ny « Iray volan’ny teny malagasy » no nanandratana azy ireo. Manoloana ny fahapotehan’ny maha Malagasy, manana andraikitra lehibe ireto andiany « Mendrika » ireto ny hanandratra sy hiaro ny teny sy ny soatoavina malagasy, raha ny nambara teny an-toerana.
Nisy koa mpikabary mpandalina 19 mianadahy notolorana mari-pahaizana noho ny fahavitany fiofanana tao amin’ ny Hasin’i Gasikara. Fantatra fa valo taona ny nijoroan’ity fikambanana ity. Tarigetrany: « Aza atao tahaka ny antsimbilona latsaka an-dobo ny kabary malagasy, tsara pirina fa tsy hitan’ny tompony ». Hisokatra ny alahady 14 jolay izao ny fampianarana ny andiany manaraka, eny 67ha Atsimo sy etsy amin’ny Rasalama Andravoahangy Ambony.
Nangonin’i HaRy Razafindrakoto