INDRAY MIJERY

Natolotra ny fitaleavana momba ny fampiroboroboana ny fahasalamana ireo fitaovana ara-teknolojia maro avy amin’ny tetikasa « Miarova », toy ny solosaina, finday avo lenta, fahitalavitra, fitaovam-pivoriana ampitain-davitra… Natokana ho an’ny fitantanana ny tsaho sy ny vaovao tsy marina mahakasika ny vaksiny ireo fitaovana mba hahafahana mampiroborobo ny fanaovam-baksiny. Alefa avy hatrany any amin’ny faritra 23 ny ampahan’izany.

Vita ny fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny teny sinoa notontosaina tao amin’ny Institut Confucius, eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, izay tetezana mankany amin’ny teny sinoa ho an’i Madagasikara. Nandresy i Vavy Ornella Lock, avy ao amin’ny Institut Confucius.

Nampitandrina ny masoivoho amerikanina mahakasika ny fisolokiana ataon’olon-tsy fantatra momba ny Visa fifindrana monina any Etazonia. Tsy handefa e-mail, na taratasy, na SMS, na hiantso an-telefonina hampandre ireo voasarika mihitsy ny masoivoho amerikanina. Ao amin’ny tranonkala dvprogram.state.gov/ESC irery ihany no fomba tokana ahitana ny valin’izany.

Nanohana ara-pitaovana medikaly sy fanafody ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny firenena rosianina miaraka amin’ny OMS. Natolotra ny faritra avaratra atsinanan’ny Nosy ireo fitaovana ireo entina hanarenana ny fahasalaman’ny mponina izay marefo taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gamane.

Partager sur: