Manamafy ny kandida avy amin’ny Irmar fa niharan’ny hala-bato koa izy ireo. Tsy mitabataba sy mandrangaranga korontana anefa fa miady araka ny lalàna.
“Ny fitabatabana fa misy ny hala-bato amin’ny haino aman-jery sy amin’ny tambajotran-tserasera nefa tsy mitondra porofo ary tsy mitory amin’ny fitsarana dia midika fa fanakorontanana no tiana hatao, ka melohinay amin’ny herinay rehetra”. Io ny fanambaran’ireo kandidàn’ny vondrona Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar ) novakian’ny kandidà Velontsara Paul Bert, teny Ivandry, omaly. Niharan’ny hala-bato sy ny hosoka ny kandidà Irmar amin’ny distrika maro. Manana porofo mazava izy ireo, nahazoany mitondra fitarainana sy ny porofo eny amin’ny HCC.
Melohin-dry zareo koa ny fandrahonana fanakorontanana amin’ny fandrangarangana hetsi-bahoaka hampitahorana ny rafi-pitsarana mikirakira ny fifidianana. Takiny ny famelana azy hitsara amim-pilaminana, araka ny rariny sy ny hitsiny ary ny lalàna ka hamoaka ny marina araka ny safidim-bahoaka. Miantso ny fanamafisana fitandroana filaminana izy ireo, ka tsy handeferana fa handraisana fepetra avy hatrany ireo manakorontana ny filaminam-bahoaka mialokaloka ao ambadiky ny hoe fiarovana ny safidim-bahoaka.
Ny vondrona Irmar irery no nahahenika ny distrika rehetra tamin’ny fanolorana kandidà, ka mitombina ny hananany ny maro anisa eny amin’ny Antenimierampirenena. Ny vondrona mpanohitra kosa tsy manana kandidà afa-tsy amin’ny distrika 66. Koa tsy mitombina ny fananganana ny Komity miaro ny safidim-bahoaka (KMSB), fa tsy hahazo ny maro anisa izy ireo. Fantatra ny ao ambadiky ny fananganana ny KMSB: fanakorontanana toy ny natao tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika hikendrena fanonganam-panjakana.
R. Nd.