Lehilahy hita faty nihosin-dra : notsatohana fantsika ny lohany

Raim-pianakaviana iray manodidina ny 35 taona hita faty nihosin-dra tao Antanamalandy, Mahajanga, omaly maraina. Nahitana fantsika nitsatoka teo amin’ny lohany.

Lehilahy efa nitsirara tamin’ny tany no hitan’ny fokonolona tao amin’ny faritry ny fasana Mangato­kana, fokontany Antanama­landy, kaominina Renivohitra Mahajanga, omaly maraina tamin’ny 7 ora. Nifono lamba tanteraka ny lohan’io olona io. Nampandre ny manodidina ny nanatri-maso. Nijery ifotony ny zava-nisy ny polisim-pirenena miasa ao an-toerana sy ny mpitsabo. Nozahana, lehilahy manodidina ny 35 taona io maty io. Tsy nisy taratasy na­mantarana azy teny aminy. Nozahan’ny mpitsabo ny razana. Feno dian-kapoka ny tarehiny. Niosin-dra ny faritry ny lohany. Notilian’ny mpiasan’ny BMH akaiky, voamarina fa notsatohan’ny nahavanon-doza fantsika ny faritry ny lohan’io lehilahy hita faty io.

Nariana…
Vono olona niniana natao no nahafaty io lehilahy io, araka ny fanadihadian’ny tomponandraikitra nizaha ny ra­zana, omaly. Nanaporofo izany ny ratra hita tamin’ny vatan’ ilay namoy ny ainy. Narian’ireo tsy mataho-tody, araka izany, io raim-pianakaviana io tao­rian’ny namonoany azy. Nano­katra fanadihadiana lalina momba ity raharaha ity ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Naterina eny amin’ny tranom-paty miandry ny fianakaviany ny fatin’ilay lehilahy. Hatramin’ny fotoana nanora­tana, tsy nisy nahafantatra io olona io ny mponina manodidina ny fasana ao Mangato­kana.

Tsiferana R.

Partager sur: