Madagascar Airlines: mitombo tsikelikely ny sidina anatiny

Tafiditra ao anatin’ny drafi-panarenana, Phénix 2030, ny kaompania Madagascar Airlines ny fampitomboana ny sidina anatiny mba hamaliana ny filan’ny mpandeha amin’izao vanim-potoana fahatongavan’ny mpizahatany izao. Hiakatra 19 isan-kerinandro ny sidina ataon’ny kaompania manom­boka ny 14 jona. Hitombo 26 kosa izany ny volana jolay, hanatsarana hatrany ny tolotra ho an’ny mpanjifa. Araka izany, mitotaly 157 ny sidina ataon’ny kaompania mandritra ny volana jona sy jolay miampy ireo seza maherin’ny 21 000 isa ho an’ny mpandeha. Tolotra vaovao sy amin’ny sarany sahaza ho an’ny rehetra ity omen’ny Madagascar Airlines ity. Hisy ny fihenam-bidy hatramin’ny 60% ho an’ny tapakila. Hisy ihany koa ny tolotra manokana ho an’ireo mpifankatia na fianakaviana mandray ny sidina anatiny, izany hoe, tolotra « Duo » izay natao manokana ho an’olon-droa sy ny tolotra « famille » ho an’izay maniry handray ny sidina miaraka amin’ireo akaiky azy. Manankery nanomboka omaly ireo tolotra ireo ho an’ireo izay handray ny sidina eo anelanelan’ny 14 jona ka hatramin’ny 31 jolay. Afaka manatona mivantana eny amin’ny masoivohon’ny Madagas­car Airlines na ireo « agence de voyage » mahazatra azy ireo mpandeha maniry hisitraka izany.

Fiaramanidina
Hitombo ihany koa ny sidina ataon’ny kaompania Mada­gascar Airlines amin’ny fahatongavan’ireo fiaramanidina roa hafa, ATR 72, eo anelanelan’ny volana aogositra sy septambra. Ankoatra izay, efa hivoaka ny faran’ny jona izao ihany koa ny fiaramanidina iray hafa rehefa nandalo fanamboarana. Izany hoe, hiampy telo ireo fiaramanidina hiasa hatramin’ny septambra izao. Ankilany, mbola betsaka ireo tolotra hafa omen’ny kaompania mandritra ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany (ITM) izay hatao ny 20 ka hatramin’ny 23 jona, eny amin’ny CCI Ivato.

Henintsoa H.

Partager sur: