Notontosaina, omaly, tany Nairobi Kenya, ny andro voalohan’ny fifanintsanana “Billie Jean King”, vondrona III, sokajy vehivavy, taranja tenisy. Ratsy ny vokatra ho an’i Madagasikara. Resin’i Zimbabwe tamin’ny isa 2 no ho 1 izy ireo. Mitana ny laharana fahatelo ao amin’ny sokajy “A” ny ekipam-pirenena malagasy. Tsiahivina fa miray vondrona amin’izy ireo i Afrika Atsimo sy i Zimbabwe ary i Namibia.
Araka ny vaovao voaray, omaly, hifanandrina amin’i Afrika Atsimo, mitana ny laharana voalohany ao amin’ny sokajy “A”, ny Akomba de Madagascar, anio. Tsara marihina fa hanao “Playoff” izay tsara laharana indrindra isam-bondrona raha ady laharana ny an’ireo tsy tafakatra. Izay firenena tompondakan’ity fifanintsanana ity ihany no miakatra ao amin’ny vondrona “II”, raha toa ka midina “IV” izay farany.
Raha hiverenana ny fihaonan’i Madagasikara sy i Zimbabwe, teo amin’ny lalaon’ny olon-droa ihany ny Malagasy no nahita fahombiazana. Lavon-dry Rasendra Miotisoa sy Andriantefihasina Elisoa, seta 2 no ho 1 ( 7,5/4,6/10,7), ry Sasha Chimedza sy Rufaro Magarira. Teo amin’ny olon-tokana voalohany, resin’i Sasha Chimedza, seta 2 no ho 0 (7,5/7,5), Ranaivo Mialy. Nampiondrehan’i Rufaro Magarira, seta 2 no ho 0 (6,3/6,3), i Tsantaniony Iariniaina, nandritra ny olon-tokana faharoa.
Fitia Randria