Manatanteraka fivoriana iraisam-pirenena eto Antananarivo ireo mpiantsehatra amin’ny fanabeazana sy fikarohana. Mba hanatsarana ny rafi-panabeazana eto amin’ny Nosy ny anton’ny dinika.
Tanterahina etsy amin’ny Panorama Andrainarivo, omaly sy anio, ny loabary an-dasy iraisam-pirenena momba ny fanabeazana. Mandray anjara manatanteraka izany ireo mpiantsehatra rehetra eo amin’ny fanabeazana eto an-toerana sy any amin’ny firenena miteny frantsay, toy ireo manam-pahaizana manokana momba ny fikarohana sy ny mpampianatra mpikaroka. «Fanabeazana ho an’ny fampandrosoana lovain-jafy» ny lohahevitra dinihina mandritra izany. Tanjona ny hanatsarana sy hanavaozana ny rafi-panabeazana sy ny fandaharam-pampianarana misy eto Madagasikara. Hampidirana ny soatoavina sy fahendrena mivoy ny fampondrosoana lovain-jafy ihany koa.
“Fotoana ahafahan’ireo mpiantsehatra rehetra mifanakalo hevitra sy traikefa ary hifampizarana ny haizatra eo amin’ireo voka-pikarohana ny antony nanaovana ny hetsika”, hoy Rakotovololona Helikanto, Directrice des curricula et de la recherche pédagogique eo anivon’ny MEN. “Ezahina ny hampifandraisana ireo voka-pikarohana hita fa mety amin’ny zava-misy eto Madagasikara”, hoy hatrany izy nanamafy. Nambarany fa hitondra sy handroso voka-pikarohana hanatsarana ny rafi-panabeazana eto amin’ny Nosy ireo mpikaroka avy any amin’ny firenena hafa. Izay tafiditra ao anatin’ny vinan’ny Filoham-pirenena sy andry voalohany ho an’ny fampandrosoana.
Vokatra andrasana aorian’ny hetsika ny hahafahan’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena mandray ireo teknika vaovao entin’ny mpikaroka. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Apprendre” ity loabary an-dasy ity. Misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny minisiteran’ny Tontolo iaianana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, ny avy amin’ny AFD ary ny AUF nahafahana nanao ny hetsika.
Mino