Baolina kitra, sokajy vehivavy : tompondakan’Itasy ny Askam Afa

Fantatra avokoa ireo ekipa hisolo tena ny ligin’Itasy, fifaninanana nasionaly. Eo amin’ny sokajy vehivavy, ny Askam Afa no hiaro ny voninahitry ny faritra. Ny Ojay Imerintsiatosika kosa ny an’ny lehilahy.

Voahosotra ho tompondakan’ny ligin’Itasy, amin’ny taranja baolina kitra, vehivavy, ny ekipan’ny Askam Afa, ny alahady lasa teo, tao amin’ny kianjan’ Ambo­­niatsimo. Lavon’izy ireo tamin’ny fandakana “tirs au but”, 6 no ho 5, ny Assefama, rehefa nirava sahala 1 no ho 1, ny fe-potoana ara-dalàn’ity lalao famaranan’ny fifanintsanana ity. Ny ekipan’ny Askam Afa, araka izany, no solonte­nan’Itasy any amin’ny fifaninanana nasionaly.
Tsara ny mampah Afan­tatra fa fitambaran’ny klioba roa: ny Askam sy ny Anala­kely Foot-ball Academy (Afa), no nahatonga ny anarana hoe Askam Afa. Ankoatra izay, ny klioba Ojay Imerintsia­tosika no hiaro ny voninahitr’Itasy, ho an’ny lehilahy.

“Lesoka ny tsy famonoana baolina”

Taorian’ity famaranana ity, naneho ny heviny momba iny lalao iny ny mpanazatran’ny Askam Afa, Manitriniaina Steve Princy. “Niady tanteraka ny fihaonana. Lesoka ho anay ny tsy famonoana baolina rehefa nahazo occasion maro ny mpilalao”, hoy ity teknisianina ity. Nomarihiny ihany koa ny faharatsian’ny kianja izay nanahirana ny ekipany satria efa zatra milalao amin’ny kianja “synthétique” izy ireo, hany ka somary nivoraka ny mpilalao teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. “Vonona tanteraka ny Askam Afa, amin’ny fifanintsanana nasionaly”, hoy ihany i Manitriniaina Steve Princy.

Fitia Randria

Partager sur: