Maty voatifitry ny zandary tao Antanimieva, distrika Morombe, afakomaly, ny dahalo raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe Velondraza na Reboto, fantatra amin’ny anarana hafa ihany koa izy hoe Rebaly. Malaza ratsy amin’ny asa fanafihana mitam-piadiana mahery vaika ity dahalo ity sy ireo namany. Maro ireo olona nitondra faisana tamin’izy ireo ao an-tampon-tanànan’Antanimieva. Tsy vitan’ny mangalatr’omby fa mamono olona ihany koa izy. Azo sambo-belona i Rebaly tamin’io fotoana io, tao Antanimieza. Nandritra ny famotorana azy no nilazany ireo namany mpiray tsikombakomba aminy. Naneho fahavononana hitarika ny zandary hanoro ny toerana misy ireo namany izy, afakomaly maraina. Nitsoaka tampoka anefa izy teny an-dalana ka voatery nitifitra avy hatrany ny zandary. Taorian’ny fanadihadiana, efa nomena ny fianakaviany ny fatiny. Mitohy kosa ny fikarohan’ny zandary ireo namany. Nanamafy rahateo ny zandary fa efa fantatra ny zohy fieren’ireto malaso ireto. Misy amin’ireto dahalo ireo no voalaza fa miaraka amin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika.
J.C