Samy voasaringotra amina raharaha fanolanana avokoa ireto pasitera roa lahy amina fiangonana zandriny ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana ireto. Niakatra fampanoavana teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina izy ireo ka naiditra am-ponja.
Voalohany, raharahan’ny fiangonana zandriny ao amin’ny fokontany Marovato, kaominina Toamasina II. Nilatsaka ny fanapahan-kevitry ny fampanoavana tamin’ilay pasitera iray noho izy voarohirohy ho nahabevohoka ankizy tsy ampy taona, izay vesatra anenjehan’ny fitsarana azy. Zanaka olona sahirana ara-pivelomana ity nantsoiny hanao alimbavaka tao aminy nandritra ny fotoana maro ity. Lazainy fa marary io ankizivavy io ka ny ranonainy no fanafody mahasitrana azy. Tratran’ny pasiterana mpiara-monina aminy nanao firaisana tamin’ilay ankizy tao anaty kirihitr’ala anefa izy. Vokany, tsy nisy fanazavana hafa intsony fa naiditra am-ponja ao Ambalatavoahangy avy hatrany io pasitera io.
Vehivavy marobe novetavetain’i Pasitera
Raharaha faharoa noraisin’ny mpitsara mpanao famotorana ny fanararaotana ara-nofo tamin’ny vehivavy mpino maromaro tsy ampy taona tao amina fiangonana iray, pasitera ihany koa ity faharoa. Iharan’ny herisetra ataon’ity mpitondra fivavahana ity avokoa ireo vehivavy manana endrika ao aminy. Mody ampanantenainy fa homena zavatra lafovidy. Ny hafa indray lazainy fa hoe hampiakariny ho vady. Tonga marobe teny amin’ny Lapan’ny fitsarana ireo mpitory miisa valo sy ny fianakavian’izy ireo. Misy amin’ireo mpino sasany kosa anefa nanara-dia sy nanohana an’ireo pasitera ireo hatreny amin’ ny fitsarana. Ao ireo milaza fa tsy nahazo tombontsoa tamin’ilay pasitera izy ireo ka izao nivadika fitoriana izao ny raharaha. Na teo aza anefa izany rehetra izany, tsy nandefitra ny fampanoavana fa naiditra am-ponja izy roa lahy ireto.
Sajo