Fampandrosoana ny fizahantany: lesoka lehibe ny fitaterana ana habakabaka

« Lesoka goavana amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany ny fitaterana ana habakabaka », hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Conféderation du tourisme de Madagascar (CTM), sady filoha lefitry ny Groupement des entreprises de Madagascar (GEM), Razafimahefa Tojo Lytah, tao amin’ny RFI. Nam­barany fa lasa takalonaina ny sehatry ny fizahantany sy ny toekarena eto Madagasikara noho ny zava-misy eo amin’ny fitaterana ana habakabaka. Miisa roa monja ny fiaramanidina manana seza 70 amina firenena manana mponina hatrany amin’ny 28 tapitrisa. Tsy ekena, hoy izy, ny zava-misy toy izany, indrindra ny tsy fananana fiaramanidina azo antoka ho an’ny fampahafantarana an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ankoatra izay, notsindriny manokana ny fahapotehan’ny lalana eto amintsika izay sakana ho an’ny famarotana ny fizahantany. Vidina lafo ny fotoana, izany hoe, sakana ho an’ireo manan-draharaha eto an-drenivohitra sy ho an’ireo mpisehatra samihafa avy any amin’ny faritra hihazo eto an-toerana ny fahasimban’ny lalana. Mitangorona eto Antananarivo rahateo ny ankamaroan’ny biraom-panjakana. Noho izany, manao antso avo sy manaitra ny fitondram-panjakana ny sehatra tsy miankina mba hijery ny zava-misy. “Tsy vita ao anatin’ny herintaona ny fanarenana ny sehatry ny fizahantany fa aman-taonany maro miaraka amina paikady mahomby sy mafonja”, hoy hatrany ny filoha lefitry ny GEM. Tsiahivina fa tanjon’ny fitondram-panjakana ny hampitombo hatrany amin’ny 1 tapitrisa ny mpizahatany ho avy eto Mada­gasikara, ny taona 2028.

Henintsoa H.

Partager sur: