Tsy mitovy ny tarehimarika ao anatin’ny fitanana an-tsoratra tamina biraom-pifidianana 47 amin’ny 169 ao amin’ny distrikan’i Vohipeno, faritra Fitovinany, araka ny tatitry ny kandidà depiote Irmar, i Tsabotokay Honoré, teny Tsimbazaza, afakomaly. Tena nisy ny tsy fahatomombanana taloha sy nandritra ny fifidianana, ka nametraka fitoriana eny amin’ny HCC ry zareo amin’izany.
Natao teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy, omaly, ny lanonana fanomezam-boninahitra ny ambasadaoron’ny Repoblika federalin’i Alemaina, Sem Michael Gerhard Karl Häusler. Izany dia noho ny fiafaran’ny asa nanirahana azy teto Madagasikara. Nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, fa zava-dehibe ny fiaraha-miombon’antoka amin’i Alemaina.
Nahatratra 48,03% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy manerana an’i Madagasikara, nandritra iny fifidianana solombavambahoaka, natao ny 29 mey 2024 iny. Tao Ambovombe Androy no nahitana taham-pahavitrihana ambony indrindra, nahatratra 89,05%. Tao Mahajanga I kosa no ambany indrindra, 24,92%.
Nahatratra 33 ny isan’ireo nahatonga antotan-taratasy ho talen’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) hatramin’ny omaly. Sokajin’olona maro samihafa no hita ao anatin’izany, ahitana mpiasam-panjakana ambony sy avy amin’ny sehatra tsy miankina ary ny 5 amin’ireo dia vehivavy.