fikirakirana voka-pifidianana ; « Tao anatin’ny fanajana ny safidim-bahoaka »

“Nanome toky ny Ceni fa ny fikirakirana ny valim-pifidianana dia natao tao anatin’ny fanajana ny safidim-bahoaka sy ny fangaraharana tanteraka, ka heverinay fa hitondra fitoniana sy filaminana.” Izay ny nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, teny Alarobia, omaly, taorian’ny fanambarana ampahibemaso ny voka-pifidianana vonjimaika. Vokatra vonjimaika ihany no navoakan’ny Ceni, fa ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no mamoaka ny voka-pifidianana ofisialy. Mba ho ao anatin’ny fitoniana sy filaminana ary fifanajana no iandrasana izany. Hihamafy orina ny demokrasia eto Madaga­si­kara, ary tsy ho faty momoka ny ezaka natao.
Nalalaka ny fahazoan’ny kandidà nanao fampitaham-bokatra izay nahatratra 1 257. Ho fanajana ny rijan-tenin-dalàna velona sy ny soatoavina mibaiko ny asan’ny Ceni, indrindra hampilamina ny sain’ ireo mpirotsa-kofidina eo am-piandrasana ny voka-pifidianana: tsy nisy natosi-bohontanana ireo kandidà nangatahana fampitahana fitanana an-tsoratra (PV) nandritra ny fikirakirana ny voka-pifidianana. Fampitahana tamin’ny PV an’ ny Ceni ny PV eny an-tanan’ny kandidà no natao. Tamin’ ireo PV tsy nanaovana fampitahana, nohamafisiny fa ny voka-pifidianana vonjimaika avoakan’ny Ceni dia miainga amin’ny fikirakirana ny PV natokana ho an’ny Ceni, izay na­lefan’ireo mpikamban’ny biraom-pifidianana tao anatin’ny valopy tsy azo sokafana.

R. Nd.

Partager sur: