Fondation Akbaraly : nanampy ny vehivavy voan’ny homamiadana

Nandray an-tanana ny vehivavy voan’ny homamiadana teto Madagasikara ny Foundation Akbaraly, nanomboka ny taona 2013. Nanao tatitry ny asa vita tao anatin’ izay 10 taona izay tetsy amin’ ny Tour Orange Ankorondra­no izy ireo, omaly. Nahatratra 279 000 ireo olona nisitraka tombontsoa sy noraisin’ny fikambanana an-tanana. Maha­kasika ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza. 4 100 marary nahiditra hopitaly. 79 500 ireo voatily sy voaaro tamin’ny homamiadan’ny nono. Raha toa ka 71 500 ny teo amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. 22 000 ny zaza nozahana fahasalamana manokana teo amin’ny mpitsabo zaza. 600 ireo zaza nandalo fandidiana ratsam-batana, raha ny tatitra navoakan’izy ireo. “Anjara asan’izy ireo ny fiadiana amin’ny homamiadana mahazo ny vehivavy satria aretina tena mahafaty betsaka ny vehivavy maneran-tany sy eto Mada­gasikara ireo. Anatin’izany ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranonjaza”, hoy ny filoha mpanorina ny foundation Akbaraly, Cinzia Akbaraly, nandritra ny hetsika teny an-toerana. Nambarany fa mahafantatra ny haratsin’ny aretina homamiadana ny vehivavy fa tsy manana fanantenana ny ho sitrana intsony. “Antom-pisian’izy ireo ny mamelona indray izay fanantenana ao anaty izay, amin’ny alalan’ny fanaovana fitiliana dieny mialoha mba hiarovana sy hanasitranana ny aretina vao miandoha », hoy hatrany izy.

25 taona ny vehivavy tratran’ny aretina
Tratran’ny homamiadana ny14% ny vehivavy mihoatra ny 25 taona eto Mada­gasikara. Nilaza izy fa manano sarotra ny fitsaboana rehefa lalim-paka loatra ny aretina. Sarotra ny fandraisana an-tanana sy ny fitsaboana ny aretin’ny homamiadana. Hira­riana ny hisian’ny politika ham­pidinana ny saran’ny fa­naovana chimiothérapie. “To­kony homena sehatra ihany koa ny fitsaboana natoraly hanasitranana satria afaka atao tsara ny manasitrana karazan’aretina maro”, hoy izy. Nohamafisiny fa misoroka ny aretina ny fomba fiaina, ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana, ny fahadiovana ary ny fanaovana firaisana ara-nofo voaaro.

Mino

Partager sur: