Manomana ny 25 taona nihirana: hiaka-tsehatra ao amin’ny Kudeta ry Da Hopp

Dimy ampy jery hombam-panahy sy paika, nanome ny anarana Da Hopp. Nanomboka, nanohy ary manam-baovao hozaraina hatrany ho an’ny tontolon’ny rap gasy ry zalahy.

25 taona nandraisana “micro” ny marina kokoa… Satria efa ho 30 taona izao no nilomano tao anatin’ny tontolon’ny hip-hop ny tarika Da Hopp. Tarika zokiny indrindra tamin’ity ta­ranja ity, sady voalohany indrindra nitondra ny rap gasy ihany koa. Sady fanomanana no efa tafiditra anatin’izay fankalazana izay ireo hetsika rehetra hataon’ny tarika ma­naraka, ka hanomboka izany ny etsy amin’ny Kudeta Urban Club, Hôtel Carlton Anosy, ny alin’ny 25 jona izao.
«Aorian’ny afomanga dia te hiaraka amin’ireo mpankafy anay hatrizay ato amin’ity toerana ity ny Da Hopp. Fotoana hifanomezana indray, hizarana ny vaovao sy ireo efa niarahana hatramin’izay”, hoy ny nambaran’i Jento, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety tetsy Anosy, omaly. Seho feno haharitra ora iray sy sasany, ary hotendrena hatramin’ny farany izany. Eny, satria efa fotoana elaela izay no niroso tamin’ny rap tendrena ny tarika, manampy ny mpikosoka kapila hatramin’izay.

“Miaina kokoa ny mozika zarainay”
“Efa misy rafitra mipetraka ny Da Hopp izao, fa tsy izahay mitana micro intsony. Eo ry zalahy mpitendry, ny mpikosoka kapila ary ny mpikarakara ny tarika. Miaina kokoa, araka izany ny mozika zarainay ary efa hita taratra tao anatin’ny rakikira Madafaka izay nivoaka tamin’ny 2022 izany”, hoy hatrany i Jento. Mozika miaina, satria nijery ilay fototra izay mirona kokoa amin’ny mozika avy any atsimo miaro ny rap ry zalahy. Mbola manamafy izany ireo hira handrafitra ny rakikira fahatelo, izay an-dalam-pahavitana ihany koa.
Fa tsy mozika fotsiny… Manana fotokevitra nijoroany sy mbola tozoany hatramin’
izao ny Da Hopp. Ny fitaizana ny fiarahamonina amin’ny alalan’ny fampitan-kafatra voizina amin’ny rap io. Farany teo, nisy ny fiaraha-miasan’ny tarika tamin’ny fikambanana Masoivoho, namoahana hira mahakasika ny fanararaotana ara-nofo any an-tsekoly. “Se­koly maro no notetezinay fa tena tafita tamin’ireo ankizy ny hafatra. Midika izany fa mbola fitoavana mahomby ny mozika ary mbola voarain’ny ankizy sy ny tanora ny rap entin’ny Da Hopp”, hoy Rasoanaivo Anjaramalala, tompon-kevitry ny tetikasa.

Zo ny Aina

Partager sur: