Mitombo hatrany ny isa ho an’ny ekipa nasionaly malagasy. Manana isa fito izy ireo ao amin’ny vondrona “I”, rehefa nisaraka ady sahala tsy nisy nitoko tamin’i Mali.
Ady sahala! Nahazo isa iray fanampiny indray ny ekipam-pirenena malagasy, Barea de Madagascar, omaly, tao amin’ny kianjan’ny FNB Stadium Johannesburg Afrika Atsimo. Nisaraka ady sahala 0 no ho 0 ny Aigle de Mali sy ny Barea de Madagascar. Manana isa fito ny ekipa nasionaly malagasy ao amin’ny vondrona “I” misy azy ary mitazona ny laharana fahatelo vonjimaika. Lalao izay tafiditra amin’ny andro fahefatra, fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehina ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”, izay hatao any Etazonia sy Meksika.
Ry zareo malianina no nanantombo tamin’ny fitazomam-baolina. Saingy nanohitra ihany ny Malagasy mpilalao. 18 minitra, ny fizaram-potoana voalohany, nihena ho 10 ny isan’ny mpilalao ho an’ny Barea, nahazo karatra mena i Demoleon, vodilaharan’ny ekipa nasionaly malagasy. Hita ho nanimba zavatra be ho an’ireo mpilalao izay tarihin-dRakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô, mpanazatra Barea, ilay tsy fahampiana teny ambony kianja ka ry zareo Voromahery ihany no nanao fanafihana totoafo. Tsy nisy ny baolina tafiditra, ady sahala tsy misy mitoko 0 no ho 0 no nentin’ny roa tonta namaranana ny fihaonana.
Tsiahivina fa iny no fihaoanana voalohany nifanandrinan’i Madagasikara sy i Mali.
Lalao roa amin’ny volana marsa 2025
Any amin’ny volana marsa indray ny ekipa nasionaly malagasy vao hiakatra kianja. Hifandona amin’i Centrafrique sy i Ghana izy ireo amin’izany. Mbola manala vela amin’
izy roa ireo ny Barea.
Tsara marihina fa samy tsy manana kianja ankatoavin’ny Caf i Centrafrique sy i Madagasikara, ka andrasana ny toerana hanaovana izany.
Fitia Randria