nidona tamin’ny sisindalana : mpitondra moto maty teny Fenoarivo

Namoy ny ainy teo no ho eo ny raim-pianakaviana iray nitondra kodiaran-droa teny Fenoarivo, anatin’ny lalam-pirenena voalohany, afakomaly alina. Hamonjy fodiana, ni­haran-doza tampoka io lehilahy io. Nidona mafy tamin’ny sisin’arabe ny moto nentiny, araka ny nambaran’ireo nanatri-maso. Nitsirara teo afovoan-dalana ilay lasibatra. Tsy nahetsika intsony izy. Tsy nisy aina intsony. Tsy nahitana ratra loatra ny vatany saingy ahina ho voa mafy raha ny dona nahazo azy. Niezaka ni­tondra azy teny anivon’ny ho­pitaly ny fianakaviany rehefa nahare ny loza. Tsy tana in­tsony anefa ny ain’io lehilahy io. Tsiahivina, lehilahy iray hafa koa, mpitondra moto matin’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalana mihazo an’Andakana, anatin’ny RN4, ny alahady 9 jona teo. Mbola tafarina io lehilahy io tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza saingy nahatsapa fanina. Nentin’ny nanatri-maso nihazo ny hopitaly manara-penitra Anosiala izy. Voadona mafy tao amin’ny taolan-damosiny ka nitarika ny fahafatesany.

Tsiferana R.

Partager sur: