Vita izay ny anjara asan’ny Ceni. Nivoaka ny vokatra vonjimaika. Raha fehezina, nizotra tamim-pilaminana sy araka ny tokony ho izy ny raharaham-pifidianana. Nilamina manerana ny Nosy, afa-tsy ny tamin’ny toerana vitsivitsy izay nisehoana herisetra. Tsy mahagaga anefa izany fa tsy maintsy misy hatrany ny volo mpanoha-randrana. Ny omby indray mandry tsy indray mifoha rahateo.
Any amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, HCC ny baolina. Asa hanao akory ny fanapahan-keviny? Fahefana hany afaka mitsara ny fitoriana sy fitarainana avy amin’ny kandidà tsirairay. Efa iaraha-mahita fa mifampiampanga rahateo ny mpanohitra sy ny mpanohana fa niharan’ny hala-bato. Iza indray no ho voatsipaka am-bavafo amin’ilay fiteny mahazatra, lasa sangisangy zary tenany, « voaray ny fangatahana fa tsy mitombina»?
Iaraha-mahalala rahateo fa tsy tokony hisy fiovana firy ny vokatra ofisialy.
Porofon’ny fifanipahana anatin’ny rafi-pifidianana ny fanovana diso tafahoatra loatra ny vokatra vonjimaika. Tsy ho moramora anefa ny miandry ny eo anivon’ny HCC. Any avokoa no miandrandra fanavotana sy famindram-po farany mialoha ny fahafatesana politika na ho fandresena ireo nametraka fitoriana.
Tsy afaka ny ho diso famindra ny HCC, manoloana ny toe-javamisy amin’izao fotoana izao. Toa mifampiandriandry kendritohina sy samy mitondra ny lohany avokoa ny ankamaroan’ireo kandidà nanantena ho lany kanefa notsipahin’ny vahoaka sy ireo nihevitra fa lasibatry ny hala-bato. Tsy maintsy mipetraka ho mpitsara mendrika, tsy mitanila ihany koa mba tsy ho ratsy endrika manoloana ny vahoaka malagasy.
Tsy atao resabe fa samia miandry am-pitoniana. Adin’ ombalahin’ny mpianakavy io, izay maharesy tsy hobiana, ny resy tsy akoraina e!
r.r