SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina ny 15 hatramin’ny 23 jona ho avy izao, any Antsirabe, ny fifaninanana nasionaly N1A, faritra afovoany, taranja basikety, sokajy lahy sy vavy. Tsiahivina fa tany Atsinanana no natao ny N1A faritra Atsinanana, izay nanjakan’ny klioba avy aty Analamanga. ny GNBC no voalohany ho an’ny vehivavy, raha toa ka ny CosPN, ny lehilahy.

Hotanterahina any Antsirabe, ny alahady 16 jona ho avy izao, ny dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny Course de côte. Araka ny fandaharam-potoana, hanomboka izany ny andrana tsotra, arahin’ny andrana hakana ny fe-potoana ho an’ny Crosscard sy ny fiara. Aorian’io vao hiditra amin’ny tena fifaninanana.

Efa ao anatin’ny fanomanan-tena tanteraka ireo Malagasy mpilalao amin’ny tsipy kanetibe, hiatrika ny «Masters 2024», tanterahina any Frantsa. Mametraka ny paikady sisa no ataon’ireo teknisianina. Tsiahivina fa ha­nomboka ny 26 jona ho avy izao ity fifaninanana ity. Hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany i Hery, Baloty, Ny Havana ary i Tselonina.

Afaka roa andro sisa, hanomboka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Euro 2024”, izay hatao any Alle­magne, ny 14 jona hatramin’ny 14 jolay ho avy izao. Hano­katra ny fihaoanana ny fifanandrinan’i Allemagne, mpampiantrano sy i Ecosse. Tsiahivina fa hivantana amin’ny Tele­viziona malagasy (TVM), ny ampahany amin’ny “Euro 2024”.

Partager sur: