Tenisy: resin’i Afrika Atsimo ny Malagasy

Tsy mbola mihiratra ho an’ny Akomba, ekipam-pirenena malagasy, ny masoandro eo amin’ny fiadiana ny “Billie Jean King Cup”, sokajy fahatelo, taranja tenisy. Fi­haonana tanterahina any Nairobi, Kenya. Omaly, mbola resin’i Afrika Atsimo, tamin’ny isa 3 no ho 0, indray ny Akomba. Teo amin’ny lalao ho an’olon-tokana, lavon’i Ga­briella Broadfoot, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/4 ; 7/5), Rasendra Miotisoa. Niady ny fihaonan’izy mirahavavy saingy hita ihany ny traikefa ananan’i Gabriella.
Mbola tamin’io seta 2 no ho 0 io ihany koa nandavoan’i Isabella Kruger an’i Mialy Ranaivo, teo amin’ny lalao faharoa. Tsy niady mihitsy ny fihaonana teo amin’izy mirahavavy satria 6/3 ; 6/0 ny nisarahan’izy ireo. Ho an’ny lalao ho an’olon-droa, resin’i Ga­briella sy i Heike Van Vuuren, tamin’ny seta 2 no ho 0, i Elisoa sy i Miotisoa. Tsiahivina fa efa resin’i Zimbabwe ny Akomba teo amin’ny andro voalohany. Hidona amin’i Namibie ny Malagasy rahampitso, eo amin’ny andro fahatelo amin’ity fifaninanana ity.

Tompondaka

Partager sur: