Namoaka ny voka-pifdidiana vonjimaika, omaly ny Ceni. Nanana ny toerany ny kandida mahaleotena. Nahazo maro anisa ny Irmar. Niverina amin’ny tanjany ny mpanohitra.
Tontosa omaly, teny amin’ny foiben’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni), ny lanonana nanambarana ny vokatra vonjimaika, fifidianana solombavambahoaka, natao ny 29 mey 2024. Miisa 163 ny toerana eny anivon’ny Antenimierampirenena, hidiran’ireto solombavambahoaka voafidy ireto. Araka ny vokatra vonjimaika navoakan’ny Ceni. Anisan’ny nahavita nampandany kandidà maro ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’ny Andry Rajoelina (Irmar), nahazo toerana 80. Manaraka azy eo ny kandidà tsy miankina, 42; ary laharana fahatelo ny vovonana Firaisankina, nahazo 22. Ny toerana hafa kosa ho an’ireo distrika mbola manana olana.
Hita ho natanjaka ny avy amin’ny vovonana Firaisankina ho an’ny teto afovoantany, raha nanjakan’ny kandidà tsy miankina sy ny vovonana Irmar kosa ny tany amin’ny faritra.
Vokatra vonjimaika no navoakan’ny Ceni ity fa ny eo anivon’ny Fitsarana avo momban’ny lalàmpanorenana (HCC) no hamoaka ny voka-pifidianana ofisialy. Maro ny fitarainana voarain’ity vaomiera manokana momban’ny fifidianana ity, saingy tsy manam-pahefana hitsara izany izy ireo, araka ny fanambarany. Efa nisy kosa anefa ny fandefasana izany eny anivon’ny HCC sy fangatahana ny hijerena azy ireny akaiky, araka ny nambaran’izy ireo hatrany.
Tonga niatrika izany ny praiminisitra lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian. Nanotrona azy ny filohana andrimpanjakana samihafa sy ny mpikambana ao amin’ny governemanta.
Tonga teny an-toerana ihany koa ny filoha na mpitarika vovonana sy antoko politika. Tontosa tao anatin’ny ara-dalàna ny anjara andraikitry ny Ceni. Araka ny voafaritry ny lalàna manan-kery, nanana 15 andro ny Ceni, ahafahany manao ny andraikiny sy mamoaka ny voka-pifidianana vonjimaika.
Lin