Nampahafantatra ny hetsika fitsaboana ny fahasamponana amin’ny tongotra mahazo ny sasantsasany amin’ny zaza vao teraka ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Azo sitranina ny mivadi-tongotra ary afaka mandeha tsara sy manao kiraro toy ny olon-rehetra ny zaza raha voavonjy ara-potoana ny famerenena ny tongony.
3 andro aorian’ny fahaterahan’ilay zaza raha sendra mivadika ny tongony no hanombohana ny fitsaboana. Misy ny fanamorana ny fikarakara eny amin’ireo hopitaly sasany toy ny eny amin’ny hopitaly Itaosy sy Anosy Avaratra, Tambohobe Fianarantsoa, hopitalibe Analakininina Toamasina, hopitalibe Androva Mahajanga, hopitalibe Moramanga. Manampy ireo ny hopitaly Ambatondrazaka, Miarinarivo, Tsiroanomandidy, Ambositra, Namahora Morondava, Place Kabary Antsiranana ary ny CHRR Fenoarivo Atsinanana.
Tsy tokony hanana fisalasalana, araka izany, ny ray aman-dreny vao tera-bao ka mahita ny zanany mivadi-tongotra fa tokony hanatona ireo hopitaly ireo avy hatrany hanombohana ny fitsaboana. Tanjona ny hahafahan’ilay zaza amin’ny fahasembanana. Ny mitsabo no tsara fa fahasembanana no azo raha vao tara ny fitsaboana, hoy ny fanentanan’ny minisitera.
Tatiana A