Hitohy any Antsirabe ny fifaninanam-pirenena, taranja basikety ho an’ny sokajy N1A lahy sy vavy. Taorian’ny faritra antsinanana, izay natao tany Toamasina dia anjaran’ny faritra afovoany indray ny hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Hanomboka ny 15 jona ho avy izao izany ka haharitra hatramin’ny alahady 23 jona 2024.
Ekipa 12 ka 6 lahy sy 6 vavy no hifaninanana hiady izay ho tompondaka amin’ity. Raha ho an’ny Andriambavilanitra, misy 3 ny solontenan’i Vakinankaratra mpampiantrano dia ny JEA, ny Ankaratra ary ny Serasera. Hisolontena an’Analamanga ny MB2 All ary ny Fandrasa ho an’ny Matsiatra Ambony raha ny BTBBA ny avy any Diana.
Samy manana solontena iray avy kosa ireo faritra ho an’ny lehilahy. Ny GNBC ho an’Analamanga, ny SBC Vakinankaratra. Heverin’ny rehetra fa anisan’ny “favori” amin’ity fifaninanana ity, ireo ekipa roa ireo. Ankoatra azy ireo, ny MBC Antsinanana, ny NGB Itasy, ny ASS Menabe ary ny TCBC Betsiboka.
Miandry ny fivoriana teknika, vao ho fantatra ireo iray sokajy sy ny fandaharan-dalao amin’ity fifaninanana any Antsirabe, ity.
Tompondaka