Lalandra mamelona ny faritra ny lalana sy antoka ho an’ny fampandrosoana ary ny famoaham-bokatra. Vita tanteraka ny lalana 12 km mampitohy an’i Soavinandriana sy i Mananasy, ao amin’ny faritra Itasy.
Fanamby. Vita tanteraka ny lalana mampitohy ny tampon-tanànan’i Soavinandriana sy ny kaominina Mananasy izay mirefy 12 km rehefa tsy nisy fanamboarana tao anatin’ny ny 50 taona mahery. Angady nananana sy vy nahitany ity fotodrafitrasa ity ny tetikasa « Croissance agricole et sécurisation foncière » (Casef), an’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (Minae) iarahany amin’ny ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany (MDAT), izay vatisan’ny Banky iraisam-pirenena vola. Mitentina hatrany amin’ny 4,64 miliara ariary ny asa fanamboaran-dalana natao. Ankehitriny, atao ao anatin’ny minitra vitsy monja ny dia raha toa ka natao tao anatin’ny ora telo mahery izany teo aloha. « Manamora ny famoaham-bokatra ny fahavitan’ny lalana noho izy miantoka hatrany amin’ny 70% ny famatsiana any amin’ ireo faritra manodidina », hoy ny fanazavan’ny teknisianina iray mpanangom-bokatra. Hanatsara ny fihodinam-bokatra sy hampirisika ny tantsaha hamokatra bebe kokoa ny fahavitan’ny lalana, indrindra hampitombo ny fiharin-kareny. Ankoatra izay, hampisokatra ny kaominina Mananasy amin’ ireo manodidina azy ny fahavitan’ny lalana ao an-toerana. Ankoatra izay, efa tonga any an-toerana ireo fiara fitateram-bahoaka sy ny Bajaj raha mbola « tracteur » no nampiasaina teo aloha.
Faritra mamokatra
Faritra mamokatra sy lalam-bokatra ho an’ireo faritra manodidina azy ny kaominina Mananasy. “Manana otrikery azo trandrahana tsara sy entina hampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany ny ao an-toerana noho ny fananany ny farihy sy ranomafana ary ny ranovisy tsy lavitry ny kaominina”, hoy kosa Raolijaona Fetra, mpamboly ao an-toerana. Sarotiny amin’ny fikojakojana ny lalana ny mponina sy naneho ny fahavononany amin’ny fitandroana izany. Tsiahivina fa isan’ireo faritra nisitraka ny fizarana karatany nataon’ny tetikasa « Casef » ihany koa ity kaominiana ity. Ankehitriny, tantsaha manodidina ny 6 000 no efa nisitraka karatany sy nanajary ny taniny ara-dalàna. « Tombony ho anay tantsaha ny fahazoana ny karatany, afaka mamokatra am-pilaminana izahay sady afaka mampiroborobo ny seha-piahariana ihany koa », hoy kosa Andrianantenaina Fenosoa.
Henintsoa Hani