Fanavaozana ny fanabeazana : mifanakalo traikefa ny mpiantsehatra

Miara-mikaondoha mandritra ny roa andro eto Antananarivo ireo mpiantsehatra sy mpikaroka rehetra amin’ny tontolon’ny fampianarana. Tanjona ny hahafahana manatsara ny fanabeazana eto Madagasikara

Hifarana anio ny fihaonana amin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fanavaozana ny fanabeazana eto Madagasikara. Tantera­hina etsy amin’ny Panorama Andrainarivo, omaly sy anio izany. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Apprendre”, karakarain’ny Agence Universitaire de la francophonie. Tanjona amin’ny fihaonana ny hifanakalozan-kevitra sy hiadiana hevitra hanatsarana ny sehatry ny fanabeazana eto Ma­dagasikara entina miatrika ny fanatontoloana sy ny fandrosoana misy. « Zava-dehibe io fotoana io satria ahafahana manolotra fehin-kevitra na tolo-dalàna hanatsarana ny fanabeazana manerana ny sekoly eto Madagasikara », hoy i Jérôme Bertheau, Coor­donateur de programme Ap­prendre. “Ezahina hatsaraina mandritra izany ny fandraisana ny mpianatra, ny fombam-pampianarana, fampitana ny fianarana…”, hoy kosa Rao­niherijaona Andriamiaka­tsi­lavo, Directeur général en char­ge de la pédagogie eo anivon’ny minisiteran’ny Fa­na­beazam-pirenena. Fotoana hifampizarana ireo fikarohana efa natao mahakasika ny fampianarana eto Madagasikara izy io. Hitondran’ireo mpandray anjara rehetra ny zavatra efa nampihariny sy hampiharina ihany koa. Misy ireo manam-pahaizana manokana hifampizara ny traikafeny man­dritra ny fihaonana. Toha­nan’ny Agence française de développement (AFD) sy ny AUF ny fandaharanasa. Misy ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena nahafahana nanao ny hetsika.

Mino .

Partager sur: