Fifidianana depiote: maromaro ireo am-perinasa tsy lany intsony

Maromaro ireo depiote am-perinasa tsy voafidy intsony na mbola niverina nirotsaka hofidina aza, raha miainga amin’ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Ceni. Anisan’izany ireo kandidà natolotry ny vovonana Irmar. Resy tany Antanimora Atsimo ny kestora voalohan’ny Ante­nimiera, Jean Michel Henri, Rakotondravoavy Andry na Zoky Andry etsy Arivonima­mo. Ny any Benenitra amin’ny alalan-dRandrianandraina Christian sy ny filohan’ny vondrona parlemantera IRD, Velontsara Paul Bert tao Boriziny. Resy tahaka izany koa ny avy amin’ny vovonana Firaisankina. Tsy voafidy intsony ny depiote am-perinasa ao Ikongo, amin’ny alalan-dRazafitsiandraofa Jean Brunelle sy ny tany Ampanihy Andrefana, i Keron Idealson. I Johasy Eleonore tsy afa-bela tany Vangaindrano.
Tsy ho tafaverina eny Tsimbazaza intsony, Rako­tomanjato Rodin any amin’ny distrikan’Arivonimamo. Ani­san’ireo resy tamin’iny fifidianana iny koa ny depioten’i Morafenobe, i Voninahitsy Jean Eugene ary Raha­simanana Paul Bert na i Rossy tetsy amin’ny boriborintany fahefatra.
Andrasana kosa ny ho fanapahan’ny HCC momba ny fitorian’ny filohan’ny Anteni­miera teo aloha, efa tsy depiote intsony, Razanamahasoa Christine, manoloana ny kandidà mpifanandrina aminy, avy amin’ny Irmar, Razafin­dra­bary Richard.

Synèse R.

Partager sur: