FILOHA Rajoelina Andry: « Adidin’ny mpitondra ny manova ny krizy ho fampandrosoana »

Nikabary omaly, nandritra ny fankalazana ny ny faha-60 taonan’ny CNUCED ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nilaza izy fa manana adidy ny mpitondra, hamadika ny krizy ho fanararaotana amin’ny fampandrosoana.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tao amin’ny Palais des Nations – Genève Suisse, ny fankalazana ny faha-60 taona nijoroan’ny « Conférence des Nations Unies sur le commerce et le développement » (CNUCED). Fivoariambe ahitana ny sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana, Antonio Guterres, sekretera jeneralin’ny CNUCED, Rebeca Grynspan, miaraka amin’ireo filoham-panjakana maro samihafa maneran-tany. Anisan’ny nahazo fanasana manokana iatrika izany koa ny filoha Rajoelina Andry, filoham-pirenena malagasy, ary nisy ny anjara fandraisam-pitenenany, omaly, nandritra ny lanonam-panokafana. « Na eo aza ireo krizy ara-pahasalamana sy vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro. Adidintsika mpitondra ny mamadika azy ireny ho fanararaotra ho amin’ny fampandrosoana, indrindra ny fampiroboroboana ny lafiny toekarena », hoy ny filoham-pirenena malagasy, nandritra ny fandraisam-pitenenany.
Nisolo tena ireo firenena andalam-pandrosoana, izay nizaka ny vokatry ny krizy samihafa toy ny krizy ara-pahasalamana, ny fiovaovan’ny toetr’andro ary ireo ady samihafa ny filoha Rajoelina Andry, nandritra ny fandraisam-pitenenany. Nasongadiny nandritra ny fandraisam-pitenenany ihany koa ny zava-bitan’ny fitondram-panjakana, izay notarihany nandritra ny fe-potoam-pitondrany voalohany. Teo ihany koa ny nanolorany ny vina sy nampahafantarany ny Politika Ankapoben’ny Fitondram-panjakana, izay anisan’ny manome lanja ny fampiroboroboana ny indostria. Tafiditra ao anatin’izany ny « One District One Factory » (ODOF), izany nitondran’ny filoha fanazavana.

Hampiakatra ny toekarena
Nasongadin’ny filoha ihany koa ireo vinan’ny fitondram-panjakana ho fampiroboroboana ny lafiny toekarena, izay mifototra kokoa amin’ny indostria sy ny varotra ary ny fanondranana. “Anisan’ny ahafahana mampifandanja ny fifandanjana ara-barotra ny fahasamihafana sy fanamafisana ny fanondranana”, hoy ny nambarany. Manana vokatra fanondrana maro raha i Madagasikara manokana, ary anisan’ny miantoka ny fidiran’ny vola vahiny eto amintsika ny fampitomboana ireny vokatra fanondrana ireny. Raha tsiahivina, voalohany amin’ny fanondranana vanille maneran-tany i Madagasikara. Tsy izay ihany anefa fa laharana fahatelo amin’ny fanondranana Nickel ihany koa.

Lin

Partager sur: