Voafidy ho filoha lefitra amin’ny fivoriambe faha-79 eo anivon’ny Firenena mikambana (ONU) any New York, Etazonia, hanomboka 16 septambra ho avy izao, i Madagasikara, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny minisitera. Ankoatra ny filohan’ny fivoriana, misy 21 ireo filoha lefitra.
Avy amin’ny vondrona iraisam-paritra toa an’i Afrika, na Eoropa, na Azia, ohatra, ny 16 amin’izany, ary ny dimy ho an’ny mpikambana eo anivon’ny Filankevi-pilaminana. I Madagasikara no iray amin’izany filoha lefitra 16 izany, amin’ny alalan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry.
Manampy ny filohan’ny fivoriambe amin’ny fitarihana sy ny fandaminana ny fivoriana sy ny adihevitra ireo filoha lefitra. Misolo tena ny vondrona misy azy avy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena koa izy ireo. Azo adika ho fandresena diplaomatika lehibe ho an’ny firenena malagasy izao nahavoafidy azy ho filoha lefitra izao, ary fankatoavan’ireo firenena mpiray vondrona amin’i Madagasikara aty Afrika amin’ny fitondrana ny feo sy ny hetahetan’izy ireo.
R. Nd.